Fivoriana ara-potoana faharoa : Volavolan-dalàna 12 nolaniana teny Anosikely

Notanterahina, omaly, teny amin’ny Lapan’ny Antenimie­randoholona Anosikely, ny lanonam-pamaranana ny fivoriana ara-potoana faharoan’ity andrimpanjakana ity. Olom-panjakana maro samihafa no tonga niatrika izany. Anisan’ izany ny avy eo anivon’ny go­vernemanta, ny avy amin’ny HCC, ny HCDDED ary ny avy amin’ny Antenimierampire­nena. Ankoatra ny famintinana ireo zava-bita nandritra izay 60 andro nanatanterahana ny fivoriana izay, nasongadin’ny filohan’ny Antenimierando­holona, ny Jly Ravalomanana Richard, nandritra ny fandraisam-pitenenany ny tokony ho fiaraha-miasan’ny ben’ny Tanàna voafidy amin’ny tomponandraikitra eto amin’ny firenena ho tombontsoan’ny vahoaka.
Volavolan-dalàna miisa 12 no nolanian’ny eo anivon’ny Antenimierandoholona nandritra izay fivoriana ara-potoana faharoa izay. Ny volavolan-dalàna mahakasika ny tetibolam-panjakana taona 2025. Teo ihany koa ny momba ny fanavaozana ny rafitra mifehy ity andrimpanjakana ity. Tsy hadinon’ity filoha ity ny nam­pita hafatra sahady ho an’ireo ben’ny Tanàna ho lany amin’ny maha andrimpanjakana miahy ny vondrom-bahoaka itsin­jaram-pahefana ny Ante­ni­mierandoholona. « Tokony hiaraka hiasa amin’ny tomponandraikitra eto amin’ny firenena ireo ben’ny Tanàna. Aoka tsy ny tombontsoan’olom-bitsy na ny antoko no jerena fa ny tombontsoan’ny vahoaka », hoy ny Jly Ravalomanana Richard.

Lin

Partager sur: