INDRAY MIJERY

Nitsidika ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, teny Anosy, ny masoivohon’ny Vondrona eoropeanina eto Madagasikara, Roland Kobia, ny fiandohan’ny herinandro teo. Noresahina nandritra ny fihaonana ny fampahafantarana ireo ezaky ny minisitera sy ireo laharam-pahamehana ao anatin’ny tontolon’ny fanabeazana, ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana amin’ny alalan’ny fampiofanana ireo mpampianatra, ary ny fanatsarana ny fitantanana eo anivon’ny minisitera.

Nahatratra 288 ny isan’ireo vehivavy nisitraka fitarafana ny homamiadan’ny nono noho ny fahazoana ny fitaovana fanaovana mammographie avy amin’ny fitondrana tao anatin’ny hetsika « Octobre rose ». Mbola nitohy nandritra ny volana novambra teo ny hetsika.

Tonga any Menabe indray ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa nanohy ny fitsidihana ireo faritra misy toeram-panofanana arakasa sy Lycée teknika.

Partager sur: