Ivontoerana Carion : Haharitra valo volana ny asa fanavaozana

Efa manomboka ny asa fanorenana ny ivontoeram-piofanana baoliana kitra eny Carion. Tetikasa izay tohanan’ny Federasiona iraisam-pirenena, ary natao hanomanana ny Barea Academy izany.

Nampahafantarina tamin’ ny fomba ofisialy, oma­ly, teny Carion, ny fanombohana ny asa fanavaozana ny ivontoeram-piofanana baolina kitra eny an-toerana. Tonga nametraka vato fototra, manamarika izany, ny filohan’ ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randria­ma­nam­pisoa Alfred, sy ny solontenan’ny Fifa izay tonga eto Madagasikara, Rasoa­ma­henina Sanda, ary ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS). Araka ny fanazavana azo teny an-toerana, haharitra valo volana eo ny fe-potoana hanaovana ity asa fanavaozana ity.
Maro ny fotodrafitrasa hatsangana amin’izany, toy ny toerana fipetrahana hijerena lalao baolina kitra “gradins”, izay mahazaka mpijery 500 isa. Hitarina ny haben’ny kianja ary hatao hanaraka ny fenitra takin’ny Fifa. Mitentina 2 tapitrisa dolara eo ny tetibola hampiasaina amin’ity tetikasan’ny federasiona iraisam-pirenena, izay haorina eny Carion ity. Tsara marihina fa natao hananganana ilay Barea Akademia, lahy sy va­vy, ny toeram-piofanana. Afa­ka milalao eo ihany koa ireo klioba mifaninanana amin’ny seksiona eny amin’ity faritra ity.
Marihina fa politikan’ny Fifa efa tamin’ny taona 2016, ny hanavao ny fotodrafitrasa rehetra eto Afrika sy ny hampivoatra ny baolina kitra sokajy zandriny sy vehivavy.
Ankoatra izay, nahazo fiarakodia “4×4” avy amin’ny Fifa, ny tale teknika nasionaly (DTN) FMF, Rasoanaivo Rado. Nomena azy izany mba hahafahany manao ny asany antsakany sy andavany.

F.R

Partager sur: