Omaly 13 desambra 2024, tamin’ny 9 ora maraina. Notanterahina tao amin’ny « Bibliothèque et Archives Nationales » ao Djibouti, ny lanonana goavana nanatanterahina hetsika telo momba ny kabary. Lanonana fitokanana ny sampana Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma). Famoahana ireo mpiofana andia « Santatra » ary fanokafana ny taom-piofanana 2025 – 2026.
Taorian’ny fanatanterahana ny tarazo Fi.Mpi.Ma (niofana, nandalo fanadinana, niatrika fanekena), notolorana mari-pahaizana izy 7 mianadahy andia « Santatra ». Nomarihin’Andriamboavonjy Hanitriniaina Ravaomalala, filohan’ny foibe Fi.Mpi.Ma maneran-tany fa voaray ho mpikambana izy ireo. Nambarany tamin’ny fomba manetriketrika ihany koa fa: « mijoro ara-dalàna ny sampana Fi.Mpi.Ma Djibouti ». Nanatanteraka ny fianianana amin’ny maha filohan-tsapana voafidy azy i Benaivo Miarantsoa Herilaza Christophere. Ao anatin’ny efa-taona no hitondrany ity sampana any Djibouti ity. Napetraka taminy, omaly, ihany koa ny rado milaza ny maha filohan-tsapana azy.
HaRy Razafindrakoto