Kaominina Ivato: Mitarika ny kandidà Penjy Randrianarisoa

Raha ny vokatra vonjimaika ao amin’ny kaominina Ivato dia mandresy indray ny kandidà Randrianarisoa Penjy, laharana faharoa tamin’ny biletà tokana. Mitarika amin’ny isam-bato 36,28% ny tenany. 782 kosa ny elanelam-batony amin’ny kandidà manaraka izay manana ny salanisa 27,71%.

Naharesy lahatra ny olona nifidy an-dRandrianarisoa Penjy ny asa vitany sy ny fisokafany tamin’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpitondra rehetra nifandimby mba ho tombontsoan’ny mponin’Ivato sy ny tanàna.
Hentitra izy ireo amin’ny fiarovana ny safidiny ka manao andrimaso ny voka-pifidianana sao sanatria misy manodinkodina na manova.

Efa manomana sahady ny vina sy tetikasa rehetra hampamirapiratra ny tanànan’ Ivato ny ben’ny Tanàna Ran­drianarisoa Penjy sy ny ekipany. Anisan’izany ny fiomanana amin’ny fandraisana ny fivoriana iraisam-pirenena samihafa amin’io taona 2025 io sy ny fotodrafitrasa Lac Iarivo iarahana amin’ny tetikasan’ny filoham-pirenena.

Tatiana A

Partager sur: