Ny eny amin’ny Cercle Germano Malagasy (CGM) Analakely sy eny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba indray no handray ny Madagaslam section Tanà, amin’ity anio ity. Hetsika maro samihafa mifantoka amin’ny Slam poésie no ho hita mandritra izany. Anisan’izany ny atrikasa fanoratana, misy ihany koa ny sehatra ahafahana maneho ny talenta sy fahaiza-manao. Ny ankizy no tena kendrena amin’ity hetsika ity, indrindra ho an’ny seho atao eny amin’ny CGM Analakely. Misokatra ho an’ny rehetra kosa ny eny amin’ny AFT Andavamamba, ny tolakandro.
Tsara ny vokatra ho an’ny Madagaslam section Tanà (MST) nandritra ny fifaninanana nasionaly (SN 15) farany teo. Rado Ravalison na Orad, avy amin’ny MST, mantsy no nahazo ny laharana voalohany tamin’izany fifaninanana nasionaly izany. Mifantoka kokoa any amin’ireo katitakely indray ny MST ho fanomanana ny Slam scolaire. Raha tsiahivina, ny ankizy nisolo tena an’i Sambava no nandrombaka ny amboaran’ny “Slam scolaire” farany.
Ankoatra izay, ao anatin’ny fampidirana tsikelikely ny Slam poésie amin’ny teny Anglisy ihany koa ny MST. Ity sokajy ity izay hisy amin’ny fifaninanana nasionaly amin’ ny taona ho avy. Hisy ny fikarakarana hetsika maro samihafa ho fampiroboroboana sy fampivelarana izany.
Lin