Manakan-dalana amin’ny alina : Notanana am-ponja ireo efa-dahy

Tsy ampy taona avokoa, natao famotorana ka notanana vonjimaika any am-ponja, omaly, ireo efa-dahy tra-tehaky ny zandarimaria tao amin’ny kaominina Maevatanàna. Manararaotra ny haratsian-dalana, miandry ireo fiara taksiborosy mifamevezivezy amin’ny lalam-pirenena fahefatra sy fahenina izy ireo. Torahan’izy ireo amin’ny alalan’ny vato ny fiara mandalo ka taksiborosy no tena kendreny. Za-dratsy, fiara mpitatira iray niala avy eto Antana­narivo nikasa hianavatra lasibatra. Niharan’ny toraka teo anelanelan’ny fokontany An­tsampanana, kaominina Tsa­rarano, sy fokontany Ambo­dimanga, kaominina Maeva­tanàna, io taksiborosy io, ny alin’ny 11 desambra teo. Naharay fampahafantarana ny zandary miasa ao amin’ny kaominina Tsararano. Nidina ifotony nanara-maso sy nanao fikarohana ireo olon-dratsy ny mpitandro filaminana. Voa­sam­botra tamin’izany ny lehilahy miisa efatra. 25 taona no zokiny indrindra ary tsy ampy taona avokoa ny telo. Tsy mponina avy lavitra, monina ao amin’ny fokontany Am­bodimanga-Betsiboka ihany ireto tra-tehaka ireto. Nentina natao famotorana, niaiky heloka avokoa izy ireo. Natolotra fampanoavana taorian’izay ka notanana vonjimaika any am-ponja. Mitohy ny hazalambo ataon’ny zandary manoloana ireo jiolahy mitoraka fiara eny anivon’ny lalam-pirenena, indrindra fa ny mianavaratra.

Tsiferana R.

Partager sur: