Navoaka tamin’ny fomba ofisialy sy notolorana ny mari-pahaizana « Master2 » teny anivon’ny fakiolten’ny Siansa, Oniversiten’Ankatso afakomaly ireo mpianatra. Manodidina ny 240 teo ho eo izy ireo, izay nanaraka ny lalam-piofanana Physique-Chimie, Science naturelle ary Mathématiques. Fanamby goavana ataon’izy ireo ny fanomanana ny «doctorat ». « Mbola voalohany ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy tahaka izao, fifaliana ho antsika izany satria hiasa ho an’ny tanindrazana ireo mpianatra ireo”, hoy ny profesora Ratsimbazafy Jonah, teny an-toerana. Nambarany fa tsy manao fianianana tahaka ny fakiolten’ny Mpitsabo ny fakiolten’ny Siansa fa manomana kosa olona mendrika sy hamaly ny filan’ny firenena. “Zava-dehibe ny siansa satria kitro ifaharan’ny fampandrosoana raha hay ny mampiasa azy”, hoy ny Pr Rakotomanana Hajanirina, tomponandraikitry ny asa fikarohana eo anivon’ny Siansa. Nambarany fa mbola tsy ampy ny siantifika eto an-toerana, fa afaka manampy amin’ny fampandrosoana ny firenena ireo andiany nivoaka ireo.
Ankoatra izay, ampirisihina hatrany ireo ankizy hiara-hiasa sy hianatra teny vahiny ary hamorona asa fa tsy hiandry asa ho tonga eo aminy. Entanina koa hanohy fianarana raha mbola afaka mba hanam-pahaizana.
Mino