“Misaotra ny vahoaka malagasy koa ny tenako, satria vita tao anatin’ny filaminana sy fitoniana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna. Mirary ny hisitrahan’ny vahoaka malagasy ny fetin’ny farany taona ao anatin’izao filaminana izao”. Io ny valin-tenin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tamin’ny mpano gazety, teny Tsimbazaza, omaly, taorian’ny famaranana ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimierampirenena. Tsy inona izany fa ny amin’ny toe-draharaham-pirenena aorian’ny fifidianana kaominaly sy monisipaly teo. Narahabainy ihany koa fa vita soa aman-tsara ny fotoam-pivoriana ara-potoana parlemantera amin’ity taona ity. Arahabaina avokoa ireo solombavambahoaka rehetra amin’izany, satria manana ny tetibola ny fanjakana hiatrehana ny taona 2025. Zava-dehibe izany amin’ny firenena.
“Ny azo lazaina : hita fa nifidy ny vahoaka malagasy, ary eo an-dalana hamoaka ny voka-pifidianana vonjimaika ny Ceni. Ny firariana dia ho ao anatin’ny filaminana tanteraka ny iandrasan’ny Malagasy an’izany voka-pifidianana izany”, hoy kosa izy momba ny fisian’ny tsy afapo tamin’ny fifidianana kaominaly teo ka ahina ny mety hisian’ny savorovoro eto amin’ny firenena. Voninahitra ambonin’ny firenena no tsy maintsy tandrovina eto. Tokony hiandry amim-pitoniana ny voka-pifidianana amin’ny fomba ofisialy.
R. Nd.