Sambava : Zazalahy natelin’ ny ranomasina

Nilalao teo amoron-dranomasina, mbola tsy hita popoka tao anatin’ny telo andro, taorian’ny nanjavonany ilay zazalahy tao Sambava. Nanamorona ny rano io zazalahy vao valo taona monja io. Tsy nanampo na inona na inona rahateo ny ray aman-dreniny noho ireo zaza efa zatra milalao amoron-dranomasina. Tampoka, nosintomin’ny onja io zaza io. Tsy niverina tety an-tanety. Nikoropaka nikaroka azy ny fianakaviany. Nampandre ny tomponandraikitra avy hatrany izy ireo. Niezaka nanao ny fomba rehetra ahitana io zaza io ireo mponina teo an-tanàna saingy tsy nahitam-bokany izany. Nanao sarotra rahateo ny fisian’ny andro ratsy ao an-toerana. Voatery natsahatra vonjimaika, araka izany, ny fikarohana. Hiverina amin’ny laonina, hanao ny fikarohana izy ireo aorian’ny andro ratsy, araka ny fanazavan’ny zandarimaria miasa ao an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: