Hotanterahina voalohany eto Madagasikara, ny 16-17 ary 18 desambra izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny “The Climate Show”. Hetsika karakarain’ny Vondrona eoropeanina (UE) sy ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI) hanentanana ny tanora handray andraikitra manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro. « Ho avin’ny firenena ny tanora. Adidintsika ny mampisehatra azy ireo amin’ny fampandrosoana lovainjafy mba hahafahana miaro ny karazan-javamananaina », hoy ny tomponandraikitry ny tetikasa, Jean-Yves Daue, ny alakamisy teo. Haharitra 45mn ny hetsika, seho goavana sy miavaka izay nomanina nandritra ny telo taona. Hisy ny fifanakalozan-kevitra momba ny lokanadin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ka handraisana ny soso-kevitry ny mpanatrika hisorohana ny voka-dratsin’izany. Handray anjara ao anatin’ny hetsika ihany koa ireo matihanina sy mpanentana isan-karazany ao anatin’ny tambajotra sosialy. Avo lenta tanteraka ny hetsika noho izy hampiasana ny saina voatr’olombelona (intelligence artificielle). « Tanjona ny hanentanana tanora manodidina ny 800 isa hiaro ny tontolo iainana sy hitondra vahaolana manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro », hoy ny masoivohon’ny Vondrona eoropeanina eto Madagasikara sy kaomoro, Roland Kobia. Marihina fa mahatratra 28 miliara euros ny famatsiam-bola nomen’ny UE mahakasika ny fiarovana ny tontolo iainana.
Henintsoa H.