Tournoi de Noël Basikety: Nivoaka mpandresy ny Etamazaoro

Notontosaina tao amin’ny Kianja Bataillon Mé­dical Ampahibe, ny 10 desambra 2024 teo, ny lalao famaranana taranja basikety, ao anatin’ny « Tournoi de Noël ». Nifanandrina tamin’izany ny tomponandraikitra ambony sy sokajy mifangaro eo anivon’ny Foloalindahy. Ny lalao famaranana voalohany, nihaonan’ny ekipan’ny Etama­zaoron’ireo Tafika sy ny Etamazaoron’ny Tafika ana habakabaka. Nivoaka mpandresy tamin’ity lalao ity ny ekipa avy eo anivon’ny Etama­zaoron’ireo Tafika, tamin’ny isa 63 no ho 43. Ny lalao famaranana faharoa, nihaonan’ny ekipan’ny minisiteran’ny Foloalindahy sy ny avy ao amin’ny Etamazaoron’ny Ta­fika an-tanety. Nivoaka mpandresy tamin’ny isa 83 no ho 81 ny Etamazaoron’ny Tafika an-tanety. Tonga nanome voninahitra ny lalao sady nirary soa ireo mpilalao ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jly Deramasinjaka Manan­tsoa Rakotoarivelo, nisolo tena ny minisitry ny Folo­alindahy. Teo koa ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny minisitera ary ny Eta­mazaoron’ireo Tafika sy ireo Etamazaoro telo.

Jean Claude

Partager sur: