VAOVAO TAMBATRA

Tsy mitsaha-mitotongana ny Ariary miohatra amin’ny dolara, tato anatin’ny iray volana. Nisanda 4 685 Ar ny 1 dolara, omaly 13 desambra, raha 4 645 Ar ny 13 novambra. Nahazo aina kely, nidina ho 4 883 Ar kosa ny 1 euro, omaly, raha 4 917 Ar ny 13 novambra. Nahatratra 7,8% kosa ny salanisan’ny fidangan’ny vidim-piainana.

Hosokafana ny 16 desambra ho avy izao ny taom-pambolen-kazo 2024-2025 any Andekaleka. Hisantatra azy ny filoha Rajoelina miaraka amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra. Mahatratra 75 000 ha ny velaran-tany hambolen-kazo amin’ny taona 2025 io.

Ambany ny fahefa-mividin’ny mpanjifa amin’ izao ankatoky ny fety izao. Mbola mahalana ireo mpividy, raha mifanitsa-kitro kosa ny mpivarotra eny Analakely sy ny manodidina. Tsy mbola rototra amin’ny fanomanana ny fety ny ankamaroan’ny tokantrano saingy mirongatra ny harom-paosy sy ny fitohanan’ny fiara eto an-dRenivohitra.

4 700 ireo karazana sahona Mantella Aurantiaca tafaverin’ny tetikasa Ambatovy anaty tontolo voajanahary hatramin’ny nanombohan’ny fandaharanasa ny taona 2012. Eto amintsika ihany no ahitana ity karazam-biby ity ary voasokajy ho anisan’ireo karazam-biby tandindomin-doza izy ireny.

Partager sur: