Notanterahina teny amin’ ny Kianja Elgeco Plus ny andro famaranan’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Poule des As”, sokajy zandriny U20. Voahosotra ho tompondaka ny ekipan’ny Disciples FC Espoir Analamanga, ary nahazo lelavola 8 tapitrisa Ariary izy ireo. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 1 ny klioban’ny Fosa Academy Boeny.
Tsy mbola nahita faharesena mihitsy ny Disciples tamin’ity Poule des AS ity. “Faly tanteraka izahay satria tamin’ ity taona ity, sady tompondaka ny zokiny no mbola voalohany teto Madagasikara ihany koa ny zandriny. Azo antoka, araka izany, fa manana solofo mpandimby ny klioba aoriana kely ao”, hoy i Rijaniaina Jhony, filohan’ny klioba Disciples FC. Notsiahivin’ity mpitantana ity fa manana politika ny hametraka ny rafitra matihanina ny Disciples FC, izay hametraka ekipa zandriny sy zokiny ary ny vehivavy.
Notsiahiviny ihany fa mifanintsana amin’ny diviziona voalohany amin’ny ligin’Analamanga, ny Disciples Espoir Analamanga. Marihina fa nahazo ny laharana faharoa tamin’ity ny As Faji Toliara, fahatelo ny AFA Ambovombe ary farany ny Fosa Academy.
Fitia Randria