Fandinihan-tena izao

 

Mba vita eo amin’izay ny tabataba mameno tanàna, ny fandotoana tanàna amin’ny petadrindrina… ? Na mba hisy amin’izay ny fitoniana politika. Eny, na amin’izao fiatrehana ny fetin’ny Krismasy sy ny fitsenana ny taona vaovao izao ihany aza. Fitenin’ny mpanao politika sasany ny hoe tsy misy izay fiatoana politika, fa iainana isan’andro mandavantaona io. Marina izany. Na izay aza, ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara no mila fisentoana kely indraindray. Nahoana? Manempotra, tsy ahazoana miaina, ifampihantsiana lava, tsy mampilamina… Adilahy lava tsy misy farany, fifanenjanana sy fifanenjehana, fifampihantsiana sy fifanaratsiana…
Raha tsy manao izany dia toy ny hoe tsy mahay politika fa kanosa, miray tsikombakomba, diso paika na kajy… Dia izay avo vava no tena zavatra, sahy, mahomby… Misy tonga amin’ny fanaovana vava tsy ambina na teny tsy tsaroana, mitsapatsapa amin’ny fanaovana hitsin-dalàna fa tsy tan-dalàna, misetrasetra amin’ny fitsapan-kery… Mbola izay hatrany ny fomba fanaovana politika ho an’ny sasany? Izay no itadiavana fitoniana ahay amin’izao fiatrehana fety izao: andinihan-tena, amisavisana izay hatao… Nahoana, ohatra, ny hoe misy ny olona leo politika? Na ny maro anisa mangina…
Tsy vitan’izany, rahoviana vao tena hampilamina ny politika? Ny hevitra no miady sy ampiadiana, fa tsy ny olona na ny vola na ny hery na… Tsy hita hovisavisaina hatrany izay mety hitranga amin’ny fanaovana politika? Noho ny fifampiahiahiana lava, ny fifampiandrasana kendry tohina, ny fifampiampangana noho izay mitranga sy iainana: fahantrana, tsy fandriampahalemana… Fandinihan-tena izao: mitondra inona na aiza eo amin’ny fiainam-bahoaka ny politika? Mila ihatahana ahitana azy kokoa…

R. Nd.

Partager sur: