Halatra omby : lavon’ny bala i Varira

Voatifitry ny zandary nandritra ny sakoroka ny dahalo raindahiny mpangalatra omby tao amin’ny fokontany Emalio, kaominina Ambatoabo, distrikan’i Taolagnaro, afakomaly. Naharay loharanom-baovao momba ny trangana halatra omby ny zandarimaria miasa ao Tanambao. Nidina an-kianja, tratra teo am-pandroasana omby i Herinay na i Varira. Dahalo raindahiny efa ikoizana amin’ny halatra omby any an-toerana izy. Noroasiny ny omby vositra roa ary efa nokasaina entina handositra. Najanon’ny mpitandro filaminana, nanda izany io jiolahy io. Navoakany ny basy poleta sady nitifitra izy no nandositra. Raikitra ny fifamaliana tifitra. Vokany, lavon’ny balan’ny zandary ity mpangalatra omby ity. Tratra teny aminy ny fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy poleta niampy ody ratsy. Naverina amin’ ny tompony ireo omby halatra. Tsy nisy tamin’ireo mpanara-dia namoy ny aina. Mitohy ny ady amin’ny asan-dahalo ataon’ny zandary any an-toerana. Hatreto, mijanona ho faritra mena amin’ny fitondran’ny dahalo omby halatra ny ao amin’ny kizon’ i Malio.

Tsiferana R.

Partager sur: