Notondraham-badiny rano mangotraka ny tarehy sy ny vatan’ny lehilahy iray tao amin’ny kaominina Kalandy, distrikan’i Mandritsara, omaly. Nandritra ny fifampiresahan’izy roa, nangataka ny findain-dramatoa io rangahy vadiny io. Nanomboka nanda anefa ilay vehivavy. Nanohitra ny tsy fahatokisam-badiny azy izy. Tsy nanaiky, nikiry ary nanery an-dravehivavy hanome ny finday teny aminy ny vadiny. Raikitra ny fifamaliana. Voatery nanome ny finday teny aminy ity farany. Nanantena hisava ny finday an’ilay ramatoa, tsy nampoizin-drangahy ny zava-nitranga. Naka fitoeran-drano mafana ilay vehivavy. Nitodika tampoka ny vadiny ka notondrahany rano nangotraka ny vadiny. Jambena ny rano sady may ny tarehin-drangahy. Nandositra ramatoa nahavanon-doza. Hitoroka am-badiny eny anivon’ny mpitandro filaminana ny lasibatra, araka ny loharanom-baovao.
Tsiferana R.