Hivory ny mpisehatra voakasika : hotombanana ny fandaharanasa ho an’ny fanabeazana

Sady hanombana ny asa rehetra vita ho an’ny fanabeazana nandritra ny taona 2018-2023 ny mpivory no hamolavola ny drafitrasa vaovao hifanaraka amin’ny fampiharana ny lalàna mifehy ny fanavaozana ny rafitry ny fanabezana (Losem).

Hotontosaina eny Ivato ny tombana momba ny Teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana (PSE) nampiharina ny taona 2018-2023, teto Madagasikara. Hivoaka mandritra ny fivoriana eny an-toerana koa ny drafitra vaovao ho fampandrosoana ny fanabeazana. Mandritra ny roa andro (18-19 desambra) ny dinika handraisan’ny mpisehatra rehetra amin’ny fanabeazana anjara.
Tafiditra ao anatin’ny fi­haonamben’ny Vovonana na­sionaly misahana ny sehatry ny fanabeazana (PNPSE) ity fivoriana ity, izay handrefesana ny zava-bita rehetra na­nomboka ny taona 2018 hatramin’ny taona 2023. Hiza­ra ny olana teny am-panatanterahana ny asa sy ny vina ho an’ny hoavy ireo mpisehatra.

Miara-miasa akaiky ny minisitera telo misahana ny fanabeazana sy ny fampianarana: ny fanabeazam-pirenena, ny fampianarana teknika sy ny fiofanana arakasa ary ny fampianarana ambony, mba hanatratrarana ny tanjona amin’ny fanabeazana mampiaty sy tsara kalitao ho an’ny rehetra. Manana ny anjara andraikiny koa ny mpanohana amin’ny vola sy ny teknika, ny mpampianatra amin’ny sehatra roa (miankina sy ny miahy tena) ary ny sehatra mpandrindra ny asa “Cellule de coor­dination séctorielle” (Celco). Hivoitra mandritra ny fifampizarana eny Ivato, ny fomba nitantanana ny vola natokana ho an’ny sehatry ny fanabeazana. Tanjona ny hi­sian’ny mangarahara.
Fotoana hizarana ny vokatry ny fandaharanasa roa: ny PSE sy ny fandaharanasa tohana ho an’ny fanabeazana fototra (Paeb) novatsian’ny Partenariat Mondial pour l’Éducation (PME/GPE) ny fihaonana. Eo koa ny fampahafantarana ny famatsiana ny fanavaozana ny rafi-pampianarana (STG) miaraka amin’ny fampiharana ny lalàna hifehy ny rafi-panabeazana eto Madagasikara (Losem).

Vonjy

Partager sur: