IndriConnect : Vovonana mampifandray ny mpiaro ny tontolo iainana

Vovonana ahitana ireo antontam-baovao, hita sy torohevitra ary torolalana, ho an’ireo mpisehatra samihafa ao anatin’ny tontolo iainana ny IndriConnect .

Nampahafantarin’ny Ini­tia­tive for Development Restoration Ecological and Innovation (Indri), ny zoma teo, teny Ambodivona, ity vovonana niomerika ity. « Tanjona ny hanamorana ny fahazoana ireo antontam-baovao ho an’ireo mpisehatra amin’ny fiarovana ny rohivoary ambonin’ny tany, na an-dranomasina izany na an-tanàn-dehibe », hoy ny tomponandraikitry ny Indri, Ra­kotomalala Linjasoa, nandritra ny fampahafantarana ny vovonana IndriConnect.
Mirakitra lohahevitra samihafa momba ny tontolo iainana ny IndriConnect, toy ny fiarovana ny karazan-javamananaina hatrany amin’ny fandripahana ny ala sy ny fanaovana tavy. Ao ihany koa ny toekarena manga sy ireo fanamby apetraka ho an’ny tanàn-dehibe.

Angon-kevitra
Mizara rafitra telo lehibe ny IndriConnect. Laharam-pahamehany ny fanamafisana ireo atontam-baovao miisa 284. Apetraky ny Indri ihany koa ny fiaraha-miasa stratejika iarahany amin’ireo tomponandraikitra sy fikambanana mpikaroka ary mpamatsy vola mba hiantohana ny kalitao sy ny fanavaozana ny loharanon-karena. Tafiditra ao anatin’ny vinanasany ny fampiroboroboana ny fifanakalozan-kevitra sy ny fizarana traikefa sy vahaolana ho an’ireo mpisehatra. Misokatra ho an’ny rehetra ny vovonana ary afaka mampiditra antontam-baovao sy manampy amin’ny fampidirana ireo voka-pikarohana vaovao ihany koa ny mpisehatra, araka ny fanazavana voaray. « Voka-pikarohana azo tamin’ny fiaraha-miasa iombonana ny IndriConnect. Anisan’ ny nanohana tamin’ny fanatontosana izany ny Agence française de développement (AFD), ny Tahirimbola Darwin. Kendrena ny handraisan’ny rehetra anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana », hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Indri, Ramaholimihaso Barijaona.

Henintsoa Hani

Partager sur: