Fampisehoana nahasarika ny mpankafy maro ny nataon’i Anisha Jo, omaly. Seho feno fitiavana sy fihetseham-po tanteraka.
Tontosa tetsy amin’ny CCI Ivato, omaly tolakandro, ny kaonseritra lehibe nataon’i Anisha Jo. Fihaonana voalohany tamin’ny mpankafy azy teto Madagasikara, taorian’ny nandrombahany ny fandresena tamin’ny fifaninanana « Star Academy 2022 ». Fotoana iray io nanolorany seho feno sy nahafapo ny mpanatrika. Tonga maro nanohina ny antso, tamin’ izany, ireo mpankafy marobe. Niaka-tsehatra izy tamin’ny
3 ora sy sasany tolakandro, notronin’ny mpitendry 12 sy “choristes” efatra. “Zava-dehibe amiko ity fampisehoana voalohany izay goavambe ity, hiarahantsika manolotra seho feno fihetseham-po koa misaotra anareo nanatrika”, hoy izy teny ambony sehatra. Hira maro no nataony nandritra ny fampisehoana. Anisan’izany, ny « Je suis malade », hiran’ i Serge Lama, vahiny mpanakanto. Teo koa ny « Ma lettre », « De là-haut », « Lumière », « Pas loin », « I wanna dance with somebody » an’ny mpanakanto Whitney Houston, « Embona sy hanina » an’i Mahaleo, « Accorde-moi un temps » sy ny maro hafa.
Nanasana Malagasy mpanakanto
Nisy ny mpanakanto avy eto an-toerana nasaina tamin’ny fampisehoana nataony. Anisan’izany i Fy Rasolofoniaina, nampiaram-peo taminy nanao ny hira « Very ». Teo koa i Farakely nanao ny hira « Rotsirotsy ». Niavaka tamin’ ny haingon-tsehatra sy jiro maroloko ny fampisehoana. Ankoatra izay, tsy nionona tamin’ny fampisehoana irery ihany fa anisan’ny nanontany ny fihetseham-pon’ny mpanatrika koa izy teny an-toerana. Anisan’ny nivoitra tamin’izany, ny filazan’ny mpijery ny fahatsoran’i Anisha Jo sy ny fitiavan’ny mpanakanto azy. Nambaran’ny mpankafy ihany koa ny fizarana sy fanehoana fitiavana. Marihina fa nokararakarain’ny Moozik et Ivenco ny hetsika.
Mino