“Médecine des sports et de dopage” : mila omena lanja eo anivon’ny federasiona

Tontosa ny zoma lasa teo, tetsy amin’ny Tometal Mahamasina, ny seminera rezionalin’ny ranomasimbe Indiana mahakasika ny “Médecine des sports et de dopage”.

Mpiofana 25 teto Mada­gasikara sy 6 avy amin’ ny nosy rahavavy Kao­moro, Maorisy, Seychelles ary Mayotte no nanaraka ny fio­fanana nandritra ny 5 andro. Manam-pahaizana iraisam-pirenena maro sy mpitsabo manana ny maha izy azy no nizara ny traikefany nandritra izany, anisan’izany i Dr Dadou izay nanamafy fa mila omena lanja ny lafiny fitsaboana sy ny resaka “dopage” eny anivon’ny federasiona. Tranga matetika miseho, hoy izy, ny tsy fisian’ny mpitsabo manaraka ireny fifaninanana iraisam-pirenena goavana ireny izay tena lesoka. Manentana ny federasiona izay mbola tsy manana komisiona mahakasika ny “médecine des sports et de dopage”, mba hanangana izany, ny mampiofana.

Omena toerana ny fitsaboana…

Tetsy ankilany, nanamafy ny Komity Olympika malagasy, mpikarakara ny seminera, fa tanjona ny hanatsarana ny fanatanjahantena ary anisan’izany ny seminera toy izao, araka ny fanazavan’ny Sekretera jeneralin’ny KOM, Andriamanarivo Hari­ne­lina Jean Alex. Judokas anisan’ny nandray anjara tamin’ity seminera ity Andriambololona Zo Hajanirina. Nambarany fa nahafantatra zavatra maro izy nandritra ny 5 andro niofanana. Ani­san’ izany ny mahakasika ny fomba fisakafoana, ny mahakasika ny fitsaboana ratra ho an’ny mpanao fanatanjahantena eny an-kianja sy mandritra ny fanazarantena, teo koa ny “dopage” izay misy sazy omena ny atleta izay tratra. “Afaka hampihariko tsara any amin’ny sehatra misy ahy, izay azoko nandritra ny seminera”, hoy ny fanazavany. “Raha te hanana fahaiza-manao tsara amin’ny fanatanjahantena hatao dia mila omena ny toerany ny lafiny fitsaboana sy ny dopage”, hoy hatrany i Zo Hajanirina. Ny seminera eo anivon’ny faritra faha-7 sy Afrika no tohin’izao seminera rezionaly izao, izay tsiahivina fa andiany faha-2 ity natao teto Madagasikara ity, taorian’ny tamin’ny taona 2018.

Mi.Raz

Partager sur: