MIC : Hanao varavarana misokatra

Hifampizara ireo asa ho an’ny fampiroboroboana ny toekarena ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), mandritra ny varavarana misokatra ho an’ny rehetra ny 17 sy 18 desambra, eny Ambohidahy.Tanjona ny hanomezana sehatra sy hifampizarana ny asa ataon’ny minisitera. Hampahafantariny, mandritra izany, ny asa vita sy ireo fandaharanasa isan-karazany. Hamafisina ihany koa ny fifanakalozana eo amin’ireo mpisehatra ara-toekarena samihafa. Manome toky ny MIC fa hanohana sy hitondra ny anjara birikiny ho an’ireo mpisehatra ara-toerana. Tanjony rahateo ny hampandray anjara hatramin’ny 30% ny sehatry ny indostria ao amin’ny harinkarena faobe afaka 15 taona, raha toa ka mbola 17% izany amin’izao fotoana. Izany hoe, ilaina ny ezaka avy amin’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina hanatanterahana izany. Hisy, araka izany, ny fampirantiana maro samihafa iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola. Eo koa ireo lohahevitra hovelabelarina hifandraisana amin’ny sehatra tsy miankina.

Henintsoa H.

Partager sur: