Nahatarafana ny seho ho an’ny taona 2025 : nafana ny fiarahan’i Erick Manana sy i Dama

Notanterahina tao amin’ny CCEsca Antanimena, ny faran’ ny herinandro teo, ilay seho an-tsehatra niarahan’i Erick Manana sy i Dama. Na tsy hipoka aza ny efitrano, tsapa hatrany ilay hafanana nampifamatotra azy mirahalahy sy ny mpijery teny an-toerana. Nasongadin’ny fizarana tsirairay izany. Na, i Erick Manana sy ny gitarany, na i Dama sy ny gitarany, samy afaka nitana izay hafanana izay avokoa. Vao mainka nihamafy izany tamin’ny fizarana faharoa, niarahan’izy ireo nihira. Tsikaritra teny an-toerana fa fihaonan’ny samy « be traikefa », ny seho !
Karazana andran-tsira ho an’ny taona ho avy ny seho. Fantatra mantsy fa hitohy hatrany ny fiarahana tahaka izao eo amin’ireto andrarezin’ ny hira malagasy ireto. Hana­tanteraka seho maromaro any ivelany sy eto an-toerana izy mirahalahy, amin’ny taona 2025. Hotontosain’i Dama sy i Erick Manana ao anatin’ny
3 volana izany. Seho any Eta­zo­nia, Eorôpa, Canada, faranana eto an-toerana, any amina tanàn-dehibe.
Marihina fa ankoatra ilay fanomezana lanja ny tonon­kira. Anisan’ny mampitovy ireto mpanakanto ireto ny fananana feo sy feon-kira mahasarika ny sofina. Feo voajanahary sy mazava. Mifameno amin’ny feon-gitara tendren’izy ireo.
Ao anatin’ny rindrandamin’ny kanto no amoahan’i Erick Ma­nana sy i Dama ny « Raha mba nanan’elatra », « Mbola ho avy » , « Tsy ferana », sns.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: