Tsy misy ahina intsony ny fiantraikan’ilay rivodoza Chido amin’ny toetry ny andro an-tanety eto Madagasikara, nanomboka ny sabotsy lasa teo, araka ny fanazavana avy amin’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. Tsy naharay fanambarana fahasimban-javatra ny teny anivon’ny BNGRC hatramin’ny faran’ny herinandro, araka ny tatitra navoakany fa misy kosa ny asa mitohy.
Ho an’ny fahasalamana, nametraka birao manokana any Antsiranana ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS) hisahana ny faritra Sava, Diana sy Sofia mandritra ny fiatrehana ny voina. Ahitana fanafody sy kojakoja samihafa azo ampiasaina ao an-toerana raha misy ny filana. Efa vonona koa ny fitaovam-pianarana sy ny tranolay ho an’ny mpianatra raha rava ny sekoly mba tsy ho tapaka ny fampianarana any avaratra. Manana tahiry koa eto Antananarivo azo alefa any.
Ahitana fanafody hitsaboana ny tsy fanjarian-tsakafo ho an’ny olona 2 000. Misy ny lamina mialoha ny hitondrana ny fanafody eny anivon’ny CSB voakasika.
Samy manana ny fandrindrana ny asa sy ny fiomanana avokoa ny sehatra rehetra ho an’ny tapany avaratra. Efa niverina amin’ny laoniny ny fiainan’ny olona ho an’ny distrika voakasiky ny filazana samihafa.
Tsioka avy atsinanana na atsimo-atsinanana no mamaritra ny toetry ny andro amin’ny ankapobeny eto Madagasikara ary foana avokoa ny ny filazana fampitandremana mahakasika ny alondrano ho an’ireo faritra naharay izany.
Vonjy