Maratra ka mety tsy afaka hiakatra kianja mandritra ny volana maro, i Rayan Ponti, Malagasy milaravinahitra ao amin’ny klioban’ny US Orleans France. Araka ny fikarohana natao, omaly, tapaka ny tongony an-kavia, nandritra ny lalao izay notontosaina ny zoma teo, rehefa nifandona tamin’ny ekipan’ny Nancy ny klioba misy azy.
Mbola manaitra ny sain’ny maro, indrindra ny mpanao fanatanjahantena eto Madagasikara, ny tsy fisian’ny fifaninanana nasionaly amin’ny taranja bisikileta. Manana olom-pitarika nefa ny Federasiona ary mijoro ara-dalàna tsara eo anivon’ny minisitera. Tsy mbola misy siosion-dresaka mandeha mihitsy nefa amin’ity taranja ity, hatramin’ny omaly. Ny taona 2025 nefa, hampiantrano ny lalaon’ny ranomasimbe Indianina ny Malagasy.
Notazomin’ny Rayo Vallecano, 3 no ho 3, ny klioban’ny Real Madrid FC, nandritra ny lalao hiadiana ny ho tompondakan’i Espagne, « La Liga ». Tsiahivina fa raha nandresy teto ny Real Madrid, izy ireo no nitana ny laharana voalohany tao Espagne, saingy mbola ny Barcelone ihany no mihazona izany hatramin’izao.