TARATRY ny KANTO

Samy manana ny kolontsainy ny Malagasy. Io fahasamihafana io, mbola nampian’ny kolontsaina nentin’ ny vahiny… Azo veroka amin’izany ny mety ho « endriky ny kolontsaina » malagasy ankehitriny. Na izany aza, « ao anaty ra ny kolontsaina », hoy ny mpandinika sasany. Izany hoe, sarotra ny manala azy tsy ho lova avy amin’ ny razana. Noho izany, tsy azo atao tery vay manta ny mampiditra kolontsaina amina olona, na faritra, na fiarahamonina iray.
Manana karazan-dihy maro ny Malagasy. Vitsy amin’ireny, anefa, no mbola dihizin’ny taranaka aty aoriana. Na, misy ihany ny hita eny an-tsehatra, saingy, efa niova izy ireny. Ny sasany aza, ilay fototra mihitsy no saro-tadiavina ao anatin’ilay dihy. Fantatra, anefa, fa misy rohy mampifamatotra ny tononkira sy ny feonkira, ny mpan­dihy sy ny tononkira, sns, eo amin’ny dihy malagasy.
Na efa am-polo taona aza no nivelatra be ny fampiasana ny fitaovan-tserasera sy fifandraisana manaraka ny fihazakazaky ny teknolojia. Mbola maro ny tsy mahay mampiasa izany hifanaraka amin’ny filany. Tafiditra ao anatin’izany ny Malagasy. Tsikera vokatry ny saina maloto, fifanebahana, fifanalam-baraka, lolompo tsy tafavoaka, fialonana, sns. Ny tahaka ireo no omen’ ny Malagasy lanja, any amin’ireny fitaovana ireny. Tsy mahay manararaotra amin’ny fananana zavatra tsara!
Anisan’ny sakana tsy ahafahan’ny mpanoratra mamoaka boky ny tsy fanomezana lanja ny famakiam-boky. Vahaolana naroson’izy ireo (mpanoratra) ny hamerenana indray ny boky ho anisan’ny fitaovana ampiasaina hampitam-pahalalana ho an’ny mpianatra. Mbola olana anefa izany satria: « lazaina sy voizina maneran-tany fa mihemotra ny olona mampiasa boky », hoy izy ireo.

Partager sur: