Tafapetraka ao anatin’ny tontolon’ny tsipy kanetibe maneran-tany indray ny anaran’i Madagasikara. Ny Malagasy irery mantsy no firenena nitondra medaly roa nody tamin’ireo nifaninana tany Dijon France, nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany 2024 lasa teo.
Tafaverina an-tanindrazana, ny sabotsy lasa teo, ny ekipam-pirenena malagasin’ny taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy, avy niatrika ny tompondaka maneran-tany, izay natao tany Dijon France, ny 5- 8 desambra lasa teo. Raha tsiahivina, nahazo ny medaly volamena ary voahosotra ho tompondaka maneran-tany tamin’ny «tir de précision» i Zigle. Niambozona ny medaly volafotsy kosa ny ekipa olon-telo miaraka, nisy an’i Zigle sy i Donald ary i Racle sy i Tinakely. Madagasikara irery no hany firenena nitondra medaly roa nody, tamin’ireo 48 nandray anjara.
Nambaran’Andrianirina Adrien Julio Edouard, filohan’ny Federation sport-boule malagasy, nandritra ny fihaonany tamin’ ny mpanao gazety tetsy Mahamasina, fa tsy manao fifanintsanana kaontinantaly intsony i Madagasikara fa avy hatrany dia tafita amin’ny «Mondial 2025», any Canada. «Tafiditra ao anatin’ ireo firenena 24 voalohany mantsy i Madagasikara. Araka izany, natao hakana isa fotsiny sisa ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika», hoy izy. Noho ny zava-bitan’ny Malagasy, hisy fifaninanana iraisam-pirenena horaisin’i Madagasikara atsy ho atsy ka hiavian’ireo mpilalao kalaza.
«Mondial» ho an’ny miralenta
Notapahan’ny kongresy nataon’ny Federasiona iraisam-pirenena, tany Dijon koa fa ampiharina amin’ny sokajy Junior ny miralenta. Tsy maintsy misy mpilalao vehivavy ao anaty ekipam-pirenena. Ampiharina avy hatrany amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2025 izany. Nohararaotin’ny filohan’ ny FSBM ny nangataka tamin’ny solontenan’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena amin’ny fanampiana satria tsy mahavita hiatrehana izany raha latsaky ny 35 000 euros. Maro anefa ny fandaharan-dalao iraisam-pirenena miandry amin’ny taona 2025. Nilaza ny Sekretera jeneralin’ny minisitera fa mila mametraka drafita ao anatin’ny efa-taona ny federasiona ka hanatitra izany haingana, hampidirina ao anatin’izany ireo fandaharam-potoana maika ireo, handrafetana ny vola. Farany, tsy nanafina i Julion Adrien fa mbola misy ny trosa tsy voaefan’ny federasiona.
Tompondaka