Ankatoky ny fety. Hentitra ny tomponandraikitra amin’ny fampanarahan-dalàna ireo fiara fitaterana. Nanaovana fitsirihana manokana ny tany Mahajanga, izay toerana be mpandeha rehefa fety.
Nanao tanamaro ho amin’ny fanaraha-maso ireo fiarakodia mifavezivezy eny amin’ny arabe, ny faran’ny herinandro teo, ireo tomponandraikitra any an-toerana. Nitarika izany ny DGSR, ny DIRTM Boeny/Melaky, ny ATT Mahajanga sy ny polisim-pirenena ary ny zandarimariam-pirenena niaraka amin’ny polisy monisipaly ao Mahajanga.
Voakasiky ny fanaraha-maso ireo fiarakodia misy motera sy kodiaran-droa, ny kodiaran-telo, fiara tsotra, taxi-be sy taksiborosy, fiara mpitatitra entana, …
Nojerena ny antontan-taratasy (ho an’ny fiara sy ny mpamily) ary ny lafiny teknikan’ny fiara.
Nidina teny Aranta, fiantsonan’ny zotra 12, Jardin Cayla, Carrefour 5 étages Tsaramandroso, Bazar Analakely ny tomponandraikitra.
26 ireo fiara nanana “visite téchnique”, 12 tsy nanana taratasy fahazoan-dalana hampiasa fitaratra matroka, 10 tsy nanana taratasy fahazoan-dalana hitrandraka zotra, 14 tsy nanana taratasy fiantohana ary 18 ireo fiarakodia “inaptes”.
Nahatratra 263, araka izany, ny fiarakodia nosavaina sy notsirihina ka ny 80 nosintonina ny antontan-taratasy ary ny 62 nampidirina am-balam-pamonjana.
Tao amin’ny tobim-piantsonana Aranta Mahajanga kosa, nisy ny fanatsarana ny fitiliana atao amin’ireo fiara fitateram-bahoaka mialoha ny handraisana fiaingana. Ialana amin’ny fanelingelenana ny mpandeha dia hitondrana fanatsarana ihany koa ny fitiliana izay atao eo am-piaingana.
Atao ny fitiliana rehetra
Mialoha ny hamenoana fiara no hatao ny fitiliana rehetra. 24 ora mialoha ny handraisana fiaingana no manomboka ny fanatanterahana izany. Ho an’ny zotra nasionaly, manan-kery amin’ny dia anankiray mandroso sy miverina ny fitsirihana.
Ho an’ny zotra rezionaly kosa, indroa isan-kerinandro no hanatanterahana izany.
Lahitokana ny aina ka manentana ny mpampiasa lalana hanao izay haha ara-dalàna ny antontan-taratasy sy ny lafiny teknikan’ny fiara, indrindra amin’izao ankatoky ny fidirana ao anatin’ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona ary ny taona vaovao izao ireo tomponandraikitra.
Tatiana A