Notanterahina teny amin’ny Kianja mitafo ANS Ampefiloha, ny sabotsy 14 sy ny alahady 15 desambra lasa teo, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara taranja badminton, ho an’ny sokajy zandriny. Nisongadina tamin’ny fandrombahana ny amboara ny MB2 All sy ny CBFJ Ambohitrimanjaka, izay samy avy amin’ny ligin’Analamanga. Samy nahazo anaram-boninahitra roa avy ireo klioba ireo, tamin’ireo sokajy miisa 9 nifaninanana. Anisan’izany, ny teo amin’ny U9, sokajy lehilahy, sy U13, sokajy vehivavy, izay samy norombahin’ny mpilalao avy eny Ambohitrimanjaka. Adin’ny samy Ambohitrimanjaka ny teo amin’ny U9. Lavon-dRakotondravelo Liantsoa tamin’ny seta 2 no ho 0 (21/17 ; 21/18), Rakotombola Aro Ny Aina. Mbola lalaon’ny samy CBFJ ihany koa ny teo amin’ ny U13. Resin-dRakotonirina Christina tamin’ny seta 2 no ho 0 (21/17 ; 21/19), i Fanomezantsoa Brenda.
Teo amin’ny U11 lehilahy, tompondaka Razakasoavina Tsiorintsoa. Ho an’ny sokajy U17 lehilahy, voalohany Razakasoavina Irina rehefa nanilika an’i Zarafitiavana Mahefa avy amin’ny SCI Itaosy. Resiny tamin’ny seta 2 no ho 0 (21/17 ; 22/20).
Nahatratra 57 ireo mpilalao nandray anjara avy amin’ny klioba miisa 8. Tsiahivina fa tsy nisy afa-tsy ligy roa no nandray anjara tamin’ity lalao ity, Analamanga sy Vakinankaratra.
Tompondaka