Tanterahina eto Madagasikara mandritra ny dimy andro, ny 16 ka hatramin’ny 20 desambra, ny atrikasa hanafainganana ny fanavaozana ny rafitra ara-tsakafo manerana an’i Afrika, izay misy ny Vondrona firenena manohitra ny mosary (Coalition faim zéro). Mpikambana ao i Bénin, ny Repoblika demokratikan’i Kongo (RDC) ary i Madagasikara. Hetsika hanamafisana ny fiaraha-miasa sy hifampizarana traikefa amin’ny fanatrarana ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy (ODD), indrindra ny ODD 2, izay mikendry ny fanafoanana ny hanoanana sy ny fanatsarana ny fiarovana ara-tsakafo. Tanjona ny hifampizaran’ireo mpikambana ny traikefany sy hiresahana ireo olana iombonana ary hamolavolana paikady vaovao hanamafisana ny fanavaozana ny rafitra ara-tsakafo sy ny fanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto amintsika.
Fampitaovana
Nisitraka fampitaovana « kit agricole » toy ny masomboly vary voamarina, zezika biolojika sy mineraly, famonoana bibikely ary fitaovam-pamokarana madinika nandritra ny fanokafana ny taom-pambolena tao Ambalafary, distrika Mandritsara, ireo tantsaha mpamboly, ho an’ny faritra Sofia. Nitohy tao Befandrina Avaratra sy tao Bealanana ny hetsika hanohanana ny mpamokatra ho fiatrehana ny taom-pamokarana 2024 -2025. Tanjona ny hanatsarana ny voka-bary sy ny fari-piainan’ny tantsaha.
Henintsoa H.