Raikitra ny fifanenjehana sy fifanjevoana, omaly folakandro, tetsy Ambondrona. Maty voatifitry ny polisy ny jiolahy miisa telo, sady mpanendaka no mpanao fanafihana mitam-basy.
Namoy ny ainy avokoa ireo telo lahy nifanenjehan’ny polisim-pirenena teny Ambondrona, omaly tolakandro tamin’ny 2 ora. Narahin’ny polisy maso akaiky ireo jiolahy efa noahiahina ireo. “Niainga teo Behoririka izy ireo ary nitsofoka tamin’ny elanelan-trano nihazo an’ Ambondrona”, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny polisy. Nanao fanamiana sivily, nanara-dia ireo jiolahy ireo ny ekipa manokan’ny polisy. Nanomboka mailomailo ireo olon-dratsy. Nitoditodika nitazana ireo mpanara-dia. Niditra tamin’ny lalan-kely, nasain’ny mpitandro filaminana nijanona izy telo lahy. Namoaka fitaovam-piadiana teny aminy toy ny antsy izy ireo. Voatery nitifitra ny polisy. Vokany, telo lahy lavon’ny bala tsy lavitra ny EPP Ampasandratsarahoby. “Nakarin’ny polisy tao anatin’ ny fiara ny fatiny taorian’ny poa-basy”, hoy ny solontenan’ny mponina nanatri-maso.
Hanafika Cash point
Araka ny angom-baovao, nikasa hanafika Cash point teny Analakely ireto olon-dratsy maty voatifitra ireto. “Efa mpanao asa ratsy eto an-dRenivohitra izy telo lahy ireo. Maro ireo efa lasibatra”, hoy ny fanazavan’ny polisy. Ankatoky ny andro fety, manao ny asa ratsiny ireo jiolahy, manoloana io, manao ny ainy tsy ho zavatra ny eo anivon’ny polisim-pirenena amin’ny famongorana azy ireo. Mitohy, araka izany, ny hazalambo atao amin’ireo olon-dratsy mivezivezy.
Tsiferana R.