FANTINA sy FINTINA

Nanambara ny fanoherany ny zotram-pifidianana ben’ny Tanàna ny filoha lefitry ny Anteni­mierampirenena, Randrinasoloniaiko Siteny Thierry. Nanao antso avo amin’ireo eo anivon’ny fanoherana koa ny tenany. “Aoka isika ho tonga saina sy hanambatra ny hery. Tsy ho mora ny fampitambarana mpitarika politika saingy tokony hijoro isika”, hoy izy.
Mitarika vonjimaika amin’ny voka-pifidianana amin’ireo kaominina any Faratsiho ny kandidàn’ny Irmar. Norombahin’izy ireo ny fandresena amin’ireo kaominina miisa enina raha resin’ny tsy miankina, Fivoi, kosa ny antokon’ny fitondrana tao Antsampanimahazo, araka ny fanambaran-dRakotondrazafy Lalatiana tao amin’ny Facebook, omaly.
Anisan’ny zandriny indrindra amin’ireo kandidà ben’ny Tanàna ary efa mandresy vonjimaika Rasoanantenaina Mary. 23 taona ny tenany amin’izao fotoana izao ary nirotsaka hofidina any amin’ny kaominina Antsavoa, Betioky Atsimo. Mety ho vehivavy mpitantana kaominina zandriny indrindra izany izy.
Nohitsin’ny mpitarika ny RMDM, ny pasitera Tsarahame Edouard, fa naloto tanteraka iny fifidianana iny. “Nisehoan’ny hosoka sy tsy fanarahan-dalàna izany ka voka-pifidianana manao ahoana no avoakany Ceni eo ?” Hoy izy tetsy Bel Air, omaly. Nanteriny fa ho sarotra ny hanaiky ny tsy fahamarinana

Partager sur: