Filoha Rajoelina Andry: “Isika tsy mihemotra manoloana ireo karazana tsikera”

Mbola milokaloka amin’ny vahoaka malagasy ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry, omaly. ”Tsy maintsy mandroso isika, tsy mihemotra manoloana ireo tsikera”, hoy izy.

“Isika kapaina vao mainka maniry, itsahina vao mainka mitsiry, haratsiana vao mainka mamokatra. Ireny fanaratsiana rehetra ireny dia toy ny zezika afafy, tsy mampihontsina antsika fa tsy maintsy mandroso isika. Isika tsy maintsy mampandroso an’i Madagasikara”. Io ny kabary politikan’ny filohan’ny Repo­blika, Rajoelina Andry, tamin’ny fanombohana ny fotoana fambolen-kazo, taona 2024-2025, tany Andekaleka, Brickaville, faritra Atsinanana, omaly. Izay mitambatra, vato; izay misaraka, fasika. Noho izany, mitambatra: tsy azo hozon­go­zo­nina, tsy azo potehina, ary saro-piaro amin’izany. Ilaina ny filaminana sy fahamarinan-toerana. Izay ihany ny fomba iray ahazoana mampandroso an’i Madaga­sikara.
Toy izany koa ny ezaka atao eto amin’ny firenena, efa mizotra mankany amin’ny fanovana amin’ny fampandrosoana. Ny any ivelany aza mahatsapa an’izany, araka ny nambarany. Eo ny nahavoafidy azy ho voalohany aty Afrika amin’ny haitarika politika, fifidianana nokarakarain’ny African Leadership Magazine, nifarana ny 12 desambra lasa teo. Raha tsiahivina, nahazo vato 65,69 % izy, raha 20,489% ny an’ny filohan’i Seychelles ary 13,83% ny an’ny filohan’ny Repoblika demokratikan’i Congo (RDC) nifaninana taminy. Ny tsy manao ihany no mitsikera, araka ny nambarany.
Miantso ny tsirairay avy izy. Na ireo mpiasam-panjakana izany, na mpianatra, na tomponandraikitra rehetra, na antoko politika, tsy any amin’ny tsikera no tokony hatao fa fambolen-kazo. “Ampitao amin’ny vahoaka hoe tia an’ny vahoaka ianareo ary tia ny vahoaka isika: arovy ny ala ary mambole hazo”, hoy izy. Adidy masina ho an’ny taranaka fara mandimby izao fambolen-kazo atao izao.

R. Nd.

Partager sur: