INDRAY MIJERY

Vita, ny faran’ny herinandro teo, ny fanolorana ireo « malette pédagogique spéciale autisme » ho an’ ireo sekoly miisa dimy ao amin’ny faritra Anôsy. Fitaovana manaraka ny fenitra entina hanabeazana sy hitaizana ary hampivoarana ireo ankizy hafakely rehetra izany. Sekoly manokana na “école spécialisée” ary sekoly mampiaty na “inclusive” no notolorana ity fitaovana enti-mampianatra sy manabe ity.
Mandray ireo rehetra liana te hahalala ny fitsaboana sy fandraisana an-tanana eny amin’ny hopitaly misahana ny fahasalaman’ny saina Anjanamasina ny tomponandraikitra. Ny 19 sy 20 desambra izao no fotoana ahafahana manatona eny an-toerana sy mahazo ireo andinindininy amin’ny tolotra misy. Zava-dehibe ho an’ny fahasalaman’ny vatana ny filaminana ara-tsaina ary mifameno ireo.
Ho fanatsarana ny asa fitateram-bahoaka izay natao tao amin’ny tobim-piantsonana Ambatolambo Mananjary, natsahatra ny famenoana fiara ivelan’ny tobim-piantsonana na “racolage”. Nandraisana fepetra manokana ny momba ny Somavoka isaky ny vao maraina be. Fanatsarana ny fomba fanatanterahan’ny mpitandro filaminana ny andraikiny amin’ny fanaraha-maso ny fiara.
Herinandro katroka mialoha ny fetin’ny Krismasy isika. Tomefy mpivarotra sy mpiantsena Analakely. Mila mitandrina izay rehetra tsy maintsy hiditra any, amin’ny mpanararaotra. Miala aloha ireo hamonjy fotoana satria mikatso ny fifamoivoizana. Tsara fantatra dieny mialoha ny toerana handehanana raha hiantsena mba tsy ho very fotoana amin’ny fisisihana anaty olona.

Partager sur: