Andrarezina ka mendrika. Nisy ny lanonanana manokana, nentina nanasongadinana sy nanomezam-boninahitra an-dRandrianaivoravelona, ny faran’ny herinandro teo, tany Antsirabe. Nampiakarina eo amin’ny laharan’ny “Commandeur” izy, ho an’ny mariboninahitry ny kanto, ny soratra ary ny kolontsaina. Tonga manokana tany an-toerana, nanolotra izany, ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrasoava Fetra.
Tsiahivina fa mpitendry orga sy mpampianatra mozika klasika anisan’ny manan-talenta sy manam-pahaizana Randrianaivoravelona. Maro ireo mpianany efa nanomboka ny taona 1980, izay efa misongadina amin’ity sehatra ity ihany koa. Anisan’ny nimasoany ny fanapariahana ny mozika klasika ho an’ny daholobe, tamin’ny alalan’ny fananganana ny “Centre national d’enseignement de la musique” na ny CNEM, izay niofo ho “Académie nationale des arts et de la culture” ankehitriny.
Zo ny Aina