Nitarika fivoriana manokana momba ny zava-misy, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Chido tany Mayottes, ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron, omaly, tany Frantsa. Sahirana amin’ny sakafo sy rano ny tomponandraikitra any an-toerana izay manahy fa havesatra ny isan’ny olona namoy ny ainy vokatry ny tanjak’ilay rivodoza Chido, araka ny fanambaran’ny prefet. Mitohy ny fitadiavana ireo olona tototra, indrindra ireo monina amin’ny bidonvilles. 14 ireo maty, araka ny antontanisa vonjimaika nivoaka ny alahady lasa teo.
“Nandravarava i Chido ka simba avokoa ny hopitaly sy ny sekoly ary ny trano fonenana”, hoy ny ben’ny Tanàna ao Mamoudzou, renivohitr’i Mayottes, Ambdilwahedou Soumaila.
“320 000 ny isan’ny mponina ao Mayottes, ny ampahatelony mipetraka amin’ny trano tsizarizary ka ravan’ny tafiotra”, hoy ny minisitry ny Atitany frantsay. Olona monina amin’ny trano fanitso mahatratra 100 000 no nafindra monina amin’ny toeram-pandraisana 70 azo antoka. Mety ho sarotra ny hahazoana antontanisa marina. Satria, araka ny fomban’ny silamo dia tsy maintsy alevina ao anatin’ny 24 ora ireo maty rehetra. Ny faritra ahitana azy ireo no tena ravan’ny rivodoza. Efa nanambara ny Commission européenne fa vonona hanampy an’i Mayottes taorian’ny voina niseho.
Niditra tany Mozambika ny alahady maraina teo i Chido.
Vonjy