Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy iray nikasa hanolana ankizivavy 4 taona tao amin’ny fokontany Ramena, Antsiranana II, afakomaly. Nahazo antso avy amin’ny sefo fokontany Ramena ny zandary avy ao amin’ny borigady Antsiranana momba ny fisian’ity tranga hafahafa ity. Voalazan’ny tatitra fa hoe niditra an-keriny tao amina tokantranon’ny renim-pianakaviana iray ity jiolahy ity. Nalainy an-keriny tamin’io andro vao maraina io ny zanak’io ramatoa io vao efa-taona monja. Tsy hitan-dreniny anefa ny nidiran’ilay jiolahy naka an-janany satria mbola tao anatin’ny torimaso. Na teo aza anefa izany, hitan’ny raim-pianakaviana iray mpifanolo-bodirindrina ny nitondrany ity ankizivavy ity. Vory lanona vetivety ny fokonolona teo an-tanàna nahita izany. Nikasa hitsoaka izy saingy efa voahodidina ny lalan-kalehany ka tsy afaka intsony. Nisy tamin’ireo olona no tezitra manoloana ny fihetsika nataon’ity olon-dratsy ity. Raikitra ny vono sy daroka. Fotoana fohy taorian’izay, tonga ny zandary naka azy. Mitohy ny famotorana, nampiahiahy ny rehetra rahateo ny fihetsiny naka an-keriny ity ankizivavy ity. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny fanadihadiana ataon’ny zandary. Niaiky ny heloka vitany rahateo izy.
J.C