Nivarotra rongony : mpivady niara-voasambotra

Voatazona eny amin’ny fonjan’Antanimora, ny lehilahy iray mpamerin-keloka amin’ny fivarotana rongony tao Talata Volonondry, ny 13 desambra teo. Naharay fitarainana avy tamina olon-tsotra ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra ao an-toerana. Voalaza fa misy mpivarotra rongony ary hiangonan’ireo mpidoroka ao amin’ny tokantrano iray ao amin’ny tanànan’i Maha­variana. Natao ny fisavana, voasambotra ny mpivady tompon-trano izay sady mpivarotra io zava-mahadomelina io. Tra-tehaka koa ny mpanjifa miisa dimy lahy. Nosamborina ary nentina natao famotorana izy ireo. Nahatrarana fonosana rongony efa voatsinjara tao amin’io mpivarotra io. No­giazana ireo entana ireo. Voamarina tamin’ny alalan’ny famotorana fa mpamerin-keloka ary efa namita sazy indroa teny am-ponja ny iray tamin’ireo voasambotra. Nentina niakatra fampanoavana ny raharaha ka notanana vonjimaika any Antanimora ilay mpamerin-keloka. Marihina, mitohy ny ady ataon’ny mpitandro filaminana manoloana ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina indrindra ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra. Tanora avokoa ny lasibatry ny fidorohana io karazan-java-mahadomelina io.

Tsiferana R.

Partager sur: