Olan’ny angovo : Nihena ny famokaran’ ireo PME

Miantraika betsaka eo amin’ireo mpandraharaha madinika sy ny fidiram-bolany ny delestazy. « Nihena ny asa famokarana nataon’ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME) tao anatin’ny 12 volana farany », hoy ny fivondronan’ny mpandraharaha malagasy (Fivmpama). Nandroso sosokevitra ny amin’ny tokony hifampiresahan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ny filohany, Rakotondrasanjy Rivo. Misy amin’ireo orinasa lehibe, hoy izy, no nanaiky amin’ny fampiakarana ny saran’ny herinaratra ho fitsinjovana ny orinasa Jirama amin’ny famokarana angovo. Na izany, zava-dehibe ny hamatsiana tsy tapaka ny herinaratra mba hahafahana miasa sy tsy hampamono antoka ny tompona orinasa. Tafiditra ao anatin’izany ireo orinasa miankindoha tanteraka amin’ny herinaratra.
Mandray anjara betsaka amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny sehatra tsy miankina. Mandeha ila ny fampandehanana izany raha toa tsy tomombana ny rafitra mameno ny orinasa iray.

Fampandrosoana
Fototry ny fampandrosoana ny indostria ny fandraharahana miankina amin’ny fambolena noho izy miankindoha amin’ny otrikarena natoraly. « Tokony hitrandraka ireo harena ananantsika isika fa tsy maka tahaka ireo modely tsy mety amintsika », hoy Hassim Amiraly, nandritra ny famaritana ireo paikadim-pampandrosoana ny sehatra tsy miankina (SDSP), ny herinandro teo. Tanjony ny hampandray anjara 30% ny indostria ao amin’ny harinkarena faobe ny taona 2040. Nilaza kosa ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim) fa zava-dehibe ny hahazoana ny angovo azo antoka sy ny fanatsarana maharitra ny lalam-pirenena, entina hanatrarana izany.

Henintsoa H.

 

Partager sur: