Tontosa, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja haiady Pancrace. Ligy telo (Analamanga, Toamasina, Mahajanga) no nanana solontena, ka nisongadina, nandritra izany, ny ligin’Analamanga. Klioba anisan’ny nahazo medaly maro indrindra ny mpikatroka avy eo anivon’ny Tsunami, izay nahazo fandresena dimy tamin’ireo famaranana 12. Nampiavaka ity fifaninanana ity ny fisian’ny « Frappe au sol » teo amin’ny Classe A sy B, izay sambany nisy tamin’ny fifaninanam-pirenena. Niha niakatra ihany koa ny lentan’ny fifaninanana sy haavo teknikan’ny mpikatroka.
Mi.Raz
Ireo tompondaka
Classe B Lehilahy :
-56kg : Razafindraibe Hajaniaina (YBI)
-61kg: Raheritiana Herman (Tsunami)
-65kg: Mariko Zoumana (Tsunami)
-70kg : Rakotoniaina H. Elianey (TSCA)
-84kg : Rakotonirina Jean Michel (TSCA)
Classe B Vehivavy :
-56kg : Razafimanantsoa Barsonia (YBI)
Classe A Lehilahy:
-56kg : Rahajarifeno Tommily (Tsunami)
-61kg : Lova Ilias (Tsunami)
-65kg : Mahery (Tsunami)
-70kg : Andrianantenaina Tafitasoa Michel
-77kg : Razafinjato Rinho (Freefight)
-84kg : Andrianarison Fitiavana (TSCA)