Misy ny fifanarahana vaovao eo amin’ ny orinasa QMM sy ny fanjakana malagasy, hampiroboroboana ny sosialy mipaka eny ifotony. Anisan’izany ny famatsian-drano, ny jono, ny fanabeazana, sns.
Nisy atrikasa tany Taolagnaro, ny herinandro lasa teo, niarahan’ny orinasa QMM sy ny fanjakana malagasy. Niompana tamin’ny ezaka ataon’ity orinasa ity amin’ny lafiny sosialy sy fiarahamonina (RSE) ho an’ny mponina any ifotony. Mitentina 4 tapitrisa dolara ny fampiasam-bola hatokan’ny QMM amin’izany, ka hamerenana amin’ny laoniny ny ala ny 500 000 dolara. Hoentina hampandrosoana ny faritra Anosy ny 1 750 000 dolara ary hanaovana tetikasa ho an’ny kaominina ny 1 750 000 dolara farany. Nanombana ny fanatanterahana ireo tany an-toerana ny delegasion’ny fanjakana, notarihin’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany (MMRS), Rakotomalala Herindrainy. Teo koa ny tomponandraikitra voakasiky ny tetikasa, toy ny ao amin’ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny jono, ny fambolena sy fiompiana, ny ala, sns. Tanjona ny handrindrana ny asa atao, mba tena hiantraika mivantana sy mifanaraka amin’ny filan’ny mponina. Nojerena ny entina hanatsarana bebe kokoa ny fomba fiasa sy ny sosokevitry ny mpandray anjara. Efa nisy ny tetikasa natomboka ary nangatahin’ny minisitra Rakotomalala Herindrainy, ny hamindrana ny vola tsy lany taminin’ity taona ity, hampidirina ao anatin’ny tetibola 2025. Mila ampitomboina koa ny ezaka mba ho tsapa bebe kokoa ny vokatra mipaka any amin’ny vahoaka.
Dabilion-tsekoly
Nangatahin’ny mpivory ny hanarahana ny fenitry ny fanabeazam-pirenena amin’ny fanarenana sekoly sy hamatsiana dabilio ho an’ny mpianatra. Mila ampifamenoana ny asa vatsian’ny mpamatsy vola toy ny Banky iraisam-pirenena sy ny QMM amin’ny fanarenana ny toby Jirama any Lanirano. Norafetina ny tondrozotra mamaritra ny andraikitry ny tsirairay, sy ny dingana hatao isaky ny tetikasa. Nahafahana nametraka fifampidinihana mitondra vokatsoa ity fihaonana tany Taolagnaro ity.
Njaka Andriantefiarinesy