Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera, tamin’ny herinandro lasa, ny sarin’i Madagasikara miloko volomboasary misy soratra hoe: « Amidy ». Asa inona no antony? Iza no mahazo tombony amin’ny fanelezana sy fanaovana ranty tahaka izany? Mampanontany tena sy mampieritreritra, manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena. Tena efa tompony mangataka atiny rahateo ilay Malagasy manana ra 100%.
Tsy sanatrian’ny vava ho malaim-bahiny raha milaza sy mitatitra ireny karazam-baovao ireny. Fisintonana lakolosy sy fanairana ilay hambompo ho an’ny taninjanaka izany. Raha ny zava-misy iainana eto amin’ny tanàna no zohina akaiky dia tena mahakivy tokoa. Tena tsy mahatamana ilay firenena.
Betsaka amin’ny Malagasy no efa mitsoaka an-daharana, mitady lalana hifindra-monina any ivelany. Izay tsy afa-manao izany, mivarilavo an-kitsirano, kilalaon’ny vondron’olom-bitsy mitroaka ny mamy amin’i Madagasikara. Tratry ny tsipitsipy madinika, sisasisan’ny mpanam-bola dia mifikitra amin’ny sitrany ahay. Saingy mandra-paharahoviana anefa? Haharaka ve ny tahirim-panomezana avy ao an-dapa?
Nanaitra koa omaly ny fanaparitahana vaovao tao amin’ny Facebook, fa maniry ny hividy an’i Madagasikara, firenena mahantra indrindra maneran-tany, hono, ingahy Elon Musk. Ilay mpanefoefo voalohany maneran-tany mihitsy hoe no liana. Asa koa ny momba iny? Mahavariana ny resaka miely etsy sy eroa izay azo heverina ho vaovao diso saingy sao mba misy hanao varotra am-bongadiny kosa isika mianakavy?
Ankoatra ny filazana fa miketrika ny hamerenana an’i Madagasikara ho anisan’ny faritra frantsay dia ireo indray aloha ny resabe miseho lany. Tsy tokony hampandrimandry manana aretina. Mila fandinihana lalina ny mety ho zavatra hisy na tsy hisy. Na izay sangisangy zari-tenany na ny tena izy.
r.r