Slam Poésie: Miditra amin’ny dingan’ny famaranana ny « Tournoi 250300 »

Mitohy hatrany ny seho mahafinaritra ho an’ny mpankafy Slam poésie. Tonga indray ny hetsika goavana ahitana seho miavaka, « Tournoi 250300 », taorian’ny fifaninanana nasionaly.

Tanterahina ny alarobia
18 desambra izao, eny amin’ny La Teinturerie Ampa­sanimalo, ny dingana famaranana amin’ny « Tour­noi 250300 ». Mpiangaly Slam Poèsie miisa enina, samy ma­nana ny maha izy azy no hifaninana handrombaka ny amboara amin’izany. Tafi­ditra ao anatin’izany i Ludo, Mitsinjo, Slam Jah, Kotsy, Idealisoa, ary i Tsiky. Tsiahi­vina fa vola mitentina 250300 no amboara azon’izay mandrombaka ity dingan’ny famaranana ity. Anisan’ny fifaninanana manana ny maha izy azy eto amin’ny Slam malagasy izy ity. Mampiavaka azy ny dingana misy ao aminy izay manome kalitao tsara ny fifaninanana. Tanjon’ny mpikarakara ny hamolavola ny mpiangaly Slam hanana fahaiza-manao manara-penitra sy tsara kalitao.

Nandalo dingana enina

Miditra amin’ny dingan’ny famaranana ny “Tournoi 250300”. Dingana enina no nolalovana nialohan’ny nahatongavana tamin’izao dingan’ny famaranana izao. Samy efa nandrombaka ny fihodinana enina natao ireto mandray anjara amin’ny dingana famaranana ireto. Ny fihodinana voalohany azon’i Ludo, ny faharoa nalain’i Mitsinjo, ny fahatelo nalain’i Slam Jah, ny fahefatra nalain’i Kotsy, ny fahadimy nalain’i Idealisoa ary ny fahenina nalain’i Tsiky. Samy manana 2 minitra sy 30 segondra ha­tramin’ny 3 minitra ireo mpandray anjara ireo handresena lahatra ny mpijery sy ny mpi­tsara. Mihatra daholo ihany koa ny fepetran’ny Slam poésie rehetra mandritra ny fifaninanana.
Ankoatra ny fahaiza-ma­naon’ireo mpifaninana, hampiavaka sy hahatsara kalitao ity dingana famaranana ity ny hampiharan’ireo mpandray anjara ny traikefa sy fahaiza-manaony nandritra ny Slam na­tional 15. Maro ireo vahiny kalaza nizara traikefa sy fahaiza-manao nandritra izany. Ani­san’izany i Marc Kelly Smith, Rouda…

Lin

Partager sur: