Mitaraina noho ny famindran-toerana tampoka ireo zandary sasantsasany amin’izao an-katoky ny fety izao. “Fotoam-pialantsasatra lehibe vao tokony hisy ny famindran-toerana”, hoy ny solontenan’izy ireo. Mikorontana vokatr’izany, ny fianan’ny zanak’izy ireo izay mbola mandranto fianarana. Miantso ny tomponandraikitra hijery ifotony ny zava-misy izy ireo.
Nampisavoritaka ny sain’ny mponina eny Tsiadana ny fisiana vehivavy iray nifono tao anaty lamba nanao sarintsarina maty, omaly. Nihinjitra tamin’ny tany ary nifono tao anaty lamba izy. Nosavain’ny fokonolona kinanjo olona salama tsara. Fomba entin’io vehivavy io hisolokiana ity nataony ity, araka ny fanazavan’ny zandarimaria. Toerana maro no efa nanaovany izany.
Mirongatra ny fanendahana eo Analakely, amin’ izao ankatoky ny fety izao. Mifanitsa-kitro rahateo ny olona, ao ireo mpiantsena manomana ny fety, misy ireo mandeha fotsiny toy ny fanaon’ny olona. Manao ny ataony anefa ireo mpanendaka satria maro ireo renim-pianakaviana mitaraina amin’ny hafitsoky ny jiolahy. Mitsoaka any anaty pavillon ry zalahy rehefa avy manendaka.