Noraisin’ny orinasa Yas, teny Andraharo, omaly, ireo ekipa nasionaly malagasy niaro ny voninahi-pirenena nandritra ny Mondial natao tany Dijon, ny 5-8 desambra lasa teo. Nitondra medaly roa ny Malagasy.
Ho fankasitrahana ny zava-bitan’ireo delegasiona malagasy, izay nitondra medaly roa volamena sy volafotsy, nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, tany Dijon France, ny 5 hatramin’ny 8 desambra lasa teo. Notoloran’ny orinasa malagasy Yas, lelavola mitentina 11 tapitrisa Ariary izy ireo, omaly, teny Andraharo. Araka ny fitsinjarana hita teny an-toerana, natao ho 3 tapitrisa Ariary ny an-dRakotondrainibe Daniel na i Zigle, noho izy voahosotra ho tompondaka maneran-tany tamin’ny “tir de precision”. 2 tapitrisa Ariary avy kosa ny an’ireo mpilalao sy mpanazatra ambiny. Mahatratra 48 eo ireo firenena nandray anjara tamin’ity Mondial 2024 ity. Mitana ny laharana faharoa i Madagasikara. Notsiahivin’ Andrianirina Adrien Julio Edouard, filohan’ny Federation sport-boule malagasy (FSBM) fa iray volana teo ny Malagasy no nanomana iny fifanintsanana tany France iny, ary mafy ny sedra nolalovan’izy ireo saingy tsy nampihemotra izany.
Hilaravinahitra
Araka ny siosion-dresaka mandeha, mety hilaravinahitra any France, i Zigle, saingy tsy mbola misy ny fanambarana izany amin’ny fomba ofisialy. Nilaza ny mpampita vaovao teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny Tsipy kanetibe (FSBM), fa nampihaiky an’ireo vahiny rehetra ny fahaizan’ny Malagasy an’ity taranja ara-panatanjahantena iray ity. Ampahatsiahivina ihany fa tamin’ity taona ity, ny Malagasy vao nanao Mondial indray. Marihina fa tafita avy hatrany amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena hatao any Canada, ny taona 2025, i Madagasikara, tsy mila miady tapakila intsony.
Fitia Randria