Novakin’ny mpiambina ny birao fiasan’ny orinasa iray eny Ambohimahitsy Ambohimangakely, ny alakamisy 12 desambra 2024 tokony ho tamin’ny 10 ora alina. Misy vatamafihidy (coffre fort) misy vola 40 tapitrisa Ar tao amin’io birao io. Lasan’ireo jiolahy ny vola rehetra. Nahazo antso fanairana ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimangakely momba ny fahavakisan’ity birao ity. Fotoana fohy taorian’izay, tonga teny an-toerana ny zandary nanao fanamarinana rehetra. Nipetrahan’ny ahiahy avy hatrany ny mpiambina ny birao satria potika daholo ny caméras de surveillance izay tsy misy mahalala ny fisiany raha tsy ireo mpiasa vitsivitsy ao ihany. Nosamborina avy hatrany ity mpiambina voarohirohy ity. Ny zoma 13 desambra 2024, nampiasana alika mpitsongo dia nanampy ireo zandary tamin’ny fanarahan-dia. Vao mainka nanamafy ny ahiahy tamin’ilay mpiambina satria nitokona manoloana ny tranony ilay alika mpitsongo dia rehefa nanaraka ny dian’ireo mpamaky trano.
Nahatrarana vola 180 300 Ar tao an-tranony. Nosamborin’ny zandary koa ny namana akaiky ilay mpiambina satria nahatrarana vola 1 656 200 Ar, anisan’ireo very tao amin’io orinasa io. Nanondro ny namany fahatelo izy saingy nitsoaka ilay jiolahy. Nitohy ny fikarohana ka tratra ny alatsinainy vao maraina teo ity jiolahy ity. Zandary manamboninahitra ao amin’ny GSIS Ivato no nahasambotra azy niaraka tamin’ny vola mitentina 15 263 500Ar. Tao anatin’ny famotorana no nahafantarana fa niantso ireo namany mba hiara-hanao asa ratsy aminy ity mpiambina natokisan’ny orinasa ity. Niditra nanao saron-tava sy satroka ba ry zalahy ka namotika ny caméras de surveillance mialoha ny namakiana ny coffre nitehirizana ny vola karaman’ny mpiasa. Marihina fa karaman’ny mpiasa ireto vola napetraka tao anatin’io vatamafihidy io. Naverina amin’ny orinasa ireo ampaham-bola sisa rehetra tratra tany amin’ireo jiolahy.
J.C