Andriamarotafika Soava : “Tsy mandrirarira na miandry baiko ny Ceni”

“Tsy misy fandrirarirana, tsy misy hoe miandry baiko. Satria avantana amin’ny filohan’ny Ceni ny taratasy. Ho fanajana ny olona hiantefan’ny taratasy dia izay hiantefan’ny fangatahana no tokony hiandrasana ny fahatongavany”. Io ny fanazavan’ny mpam­pakatenin’ny Ceni, An­driamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny nametrahan’ireo depiote Tim taratasy ho an’ny filohan’ny Ceni izay tsy eto Antana­narivo. Nitarika azy ireo ny depiote sady sekretera jeneralin’ny antoko Tim, Randria­masinoro Ny Rina. Hafa anefa no nambaran’izy ireo fa hoe voarirarira sy tsy nahazo valin-teny. “Raha ny marina: tsy fomba ny mamaly resaka tsy mifanandrify amin’ny rariny sy ny hitsiny”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni. Mahasadai­katra izay fa matetika ireo mpanao politika rehefa avy mihaona amin’ny Ceni: tsy izay niaraha-niresaka no ampitaina amin’ny mpanao gazety. Izay endri-javatra izay no tokony hifampifehezana: raha misy resaka ifanaovana, izay resaka ifanaovana no tokony hotaterina fa tsy zavatra hafa. Manjary mampisavorovo ny sain’ny olona… Sanatria, mihevitra ny olom-pirenena zinona raha toy izay hatrany ny fomba fiasa eto amin’ny tany sy ny fanjakana.
“Tena misokatra ho an’ny rehetra izahay eto anivon’ny Ceni, ary miezaka manaja ny mangarahara”, hoy ihany izy. Miezaka koa manao izay fomba ahazoana mifanakalo sy mifampizara, raha misy ny azo anaovana izany eo amin’ny hevitra sy fanazavana. Mahasadaikatra raha milaza zavatra tsy noresahina. Samy olon-dehibe no mifanatrika, nefa rehefa dify eo amin’ny fifanatrehana dia zavatra hafa no lazaina.

R. Nd.

Partager sur: