Boky voalohany mirakitra ny tantaran’ny Madagaslam, indrindra ny eto Antananarivo sy ny manodidina, ny « Restez vivants ». Na Hassi, anisan’ireo mpiangaly ny Slam poésie sangany eto Madagasikara no niandraikitra ny fanoratana izany. Nandritra ny Slam national 15 farany teo no nivoahany. Ankoatra ny tantaran’ny Madagaslam sy ny fihetsiketsehana nataony hatramin’izay, hitantarana olona iray mankafy asa soratra sy sehatra ary nilona tao anatin’ny Slam poésie ihany koa ity boky ity. « Restez vivants » midika hoe aoka ho velon’aina hatrany raha adika tsotra. Ao anatin’ny boky 200 pejy no hanentanana sy hisintonan’i Na Hassi ny mpamaky ho amin’izany.
Mpanakanto miangaly zavakanto maro loko i Na Hassi. Mpanoratra asa soratra, mpiantsehatra eo amin’ny Slam poésie. Mampiavaka azy ny fitiavana manandrana manafangaro zavakanto sahala amin’ny dihy sy asa soratra, asa soratra sy mozika, hosodoko sy asa soratra.
Lin