Escrime-« Mada 2024 » : Nisongadina ny ligin’i Vakinankaratra

Tontosa ny alatsinainy teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja escrime, ho an’ny taona 2024. Tsy mbola lefy laza aloha hatreto ny ligin’i Vakinankaratra izay nahazo ny fandresena be indrindra. Tsiahivina fa navitrika ireo ligy telo nandray anjara, nahitana an’Analamanga, Vakinankaratra ary Itasy. Nambaran’ny Tale teknika nasionalin’ny taranja escrime, Ramanandraivonona Elinjara Luc, fa somary nihena ny mpandray anjara tamin’ity raha oharina ny tamin’ny herintaona, izay nanodidina ny 50 teo. Na izany aza, mivoatra hatrany ireo atleta malagasy ho an’ny taranja escrime. Nisy vokany ihany koa ny fampivoarana ity taranja ity sahanin’ny federasiona, tamin’ny alalan’ny fiofanana iraisam-pirenena natao teto Madagasikara farany teo. Mbola hitohy izany fiofanana matihanina sy iraisam-pirenena izany, araka ny nohamafisin’ny DTN Luc.

Mi.Raz

Ireo Tompondaka

M13 Lehilahy
Andrianiaina Nathan
M15 Vehivavy
Razanajatovo Aina Finaritra
M17 Vehivavy
Mialinirina Erica
M17 Lehilahy
Genna Fitahiana Mathis
M20 Vehivavy
Rahariniaina Jennifer
M20 Lehilahy
Herinarivony Tsioriniaina
Senior Vehivavy
Rafalipoharijaona Finaritra
Senior Lehilahy
Herinarivony Tsiriniaina

Partager sur: