Fikambanana mamolavola lalàna mifehy ny fandraharahana sy ny tontolon’ny fifanakalozana ara-barotra ary manampy ny firenena mpikambana amin’ny fampandrosoana ny toekareny ny Ohada.
«Lalàna mamaly ny filan’ny mpandraharaha ara-toekarena nefa mitondra tombontsoa ho an’ny firenena koa», hoy ny sekretera maharitry ny Ohada, Pr Mayatta Ndiaye. Manatanteraka atrikasa hanamafisana fahaiza-manao amin’ny fanoratana lalàna, hanamora ny famantarana ny lalàna, ny Organisation pour l’harmonisation en Afrique du droit des affaires (Ohada) eto Antananarivo, mandritra ny hateloana. Manana solontena avokoa ny firenena afrikanina 17 efa mpikambana. Fikambanana misokatra ho an’ny firenena afrikanina izy io. Manana tanjona hampiray sy hampitovy ny lafiny teknika amin’ireo lalàna mifehy ny fandraharahana sy ny tontolon’ny fifanakalozana ara-barotra. Ny sehatra tsy miankina no mpisehatra voalohany. Tsy mbola mpikambana i Madagasikara ka anisan’ny antony nisafidianana antsika handray ny atrikasa ny handresy lahatra amin’ny tombontsoa samihafa ho an’ny firenena mpikambana, araka ny fanazavan’ny mpampianatra lalàna eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, Randriamarotia Harijaona, omaly, teny Antanimena.
Hanamorana ny fifanakalozana
Tombony voalohany hidiran’i Madagasikara ao anatin’ny fikambanana ny fampandrosoana ny toekarena sy ny tontolon’ny fandraharahana izay miankina amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena. Hanamorana ny fifanakalozana ny fidirana ao amin’ny Ohada, indrindra ho an’ny sehatra tsy miankina satria ilainy ho an’ny fandraharahana ataony izany. Efa mipetraka ny Consortium malagasy pour l’Ohada, ahitana ny fivondronan’ny Gem, Fivmpama ary ny SIM, manohana sy mitondra ny fangatahana eo anivon’ny fanjakana, hirosoana ho mpikambana. “Maromaro ny dingana vita teny amin’ny ambaratongam-pahefana nanaovana haitaky amin’ny tombontsoa entin’ny fidirana amin’ny Ohada ho fampandrosoana ny toekarena malagasy”, hoy ny Point focal Ohada eto Madagasikara, Dr Rindra Harizo.
Vonjy